Atsanganay ho faneva (Hira faneva faha 40 taona)
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Atsanganay ho faneva (Hira faneva faha 40 taona)
1/
O ry Tomponay Tsitoha
Isaoranay ny anaranao
Fa nahazo tombontsoa
Dia taon-jobily vaovao
Refrain :
Atsanganay ho faneva Ianao
Fa aro sady haingonay
Ho ren’izao tontolo izao
Ny teninao no sabatray
2/
Maro be ny fitahiana
Tao ny sedra mahamay
Ny fitiavanao tsy gina
Nandrotsy teo ny fiainanay
3/
Ny andro mbola ho avy Tompo
Meteza mba ho tokinay
Tafio ny herinao hazoto
Hanompo tsy ho alasafay