Atolotro ho Anao

Afami - FJKM Ankadivoribe Famonjena

Atolotro ho Anao


Atolotro ho Anao
Ireo voahary manodidina ahy
Dia manambara ny fitiavanao
Ny fahombiazako hatramin’izay
Haiko fa avy Aminao
Ka hidera Anao amin’ny foko rehetra aho
Andriamanitra o
Izay mba kely ahy,
Atolotro ho Anao, ry Tompo mpanome ny soa


Ref : Indro ary ny tenako, atolotro ho Anao
Hanao ny asanao
Ny foko iriko, hitoeranao
Mba ho fo vaovao
Ny fiainako raiso, ka hanjakao,
Ry Raiko o, raiso ity mpanomponao


Ny talentako, dia ho entiko hankalazana Anao
Ny heriko, hiasako ho Anao tokoa
Ka arovy aho Tompo o,
Mba tsy ho lavo an-dalana
Fa ho tojo eo amin’ny fanasanao
Ry raiko o


·