Atolotro Anao

Riampeon' Ny Maritiora

Atolotro Anao


Izahay rehetra izao Jeso
Hiaraka hanatanteraka Ilay teninao hoe:
Mandehana amin’izao tontolo izao
ka torio ny filazantsara


Izahay rehetra izao Jeso
Hiaraka hanatanteraka Ilay teninao hoe:
Mandehana amin’izao tontolo izao
ka torio ny filazantsara


Vonona izahay hitory izany re
sy hanambara ireo izay tsy mbola mandre
Fa sitrakay ny olona rehetra anie
samy hiantsoantso hoe:


Ref : Inty aho, Jeso
fa efa Anao, Jeso
ka vonona hanao izay sitrakao.
Atolotro Anao ny fiainako izao
ny foko honeno hanjakao


Velombelona ny fanahinay
noho ny toky fanantenanao Ray ô!
Ho anay manatanteraka ny baiko omenao
Hafafy anio rahatrizay


Velombelona ny fanahinay
noho ny toky fanantenanao Ray ô!
Ho anay manatanteraka ny baiko omenao
Hafafy anio rahatrizay


Ka na aiza toerana izay misy anay
Dia tsy hijanona ho mpamafy voa izahay
Fa fantatray fa na aiza na aiza alehanay dia ho ambininao ry Ray


Ref : Inty aho, Jeso
fa efa Anao, Jeso
ka vonona hanao izay sitrakao.
Atolotro Anao ny fiainako izao
ny foko honeno hanjakao


Ref : Inty aho, Jeso
fa efa Anao, Jeso
ka vonona hanao izay sitrakao.
Atolotro Anao ny fiainako izao
ny foko honeno hanjakao


·