Atolotray ho Anao

Tanora Masina Itaosy

Atolotray ho Anao


Raiso Jesosy ny saotra atolotray ho Anao
Dera laza sy voninahitra ho mandrakizay
Satria ny famindram-ponao no nahatoy izao anay
Ka mendrika hankalazaina ny Anaranao


Fiverenana :
Raha jerena ireo soa (ka ireo soa)
Nataonao tamiko (izay tamiko)
Tsy takatra heverenina ireo ka misaotra Anao
Ka inona moa (inona moa)
No avaliko (no avaliko)
Ny andronay sisa rehetra atolotray ho Anao


Raha mandalo ady sarotra dia fantatray
Teo ianao tsy miala fa miahy sy mitantana
Ka raha misy fisainanay hoe aiza moa Ianao
Ifonanay satria Ianao ilay Tompo tsy mandao


Fiverenana : Raha jerena ireo soa…


Raha mihiratra ny mason ny maraina
Miampy iray indray ny andro natolotrao anay
Faly izahay fa mbola mahit’io masoandro io
Fantatray fa famindram-ponao no antony


Fiverenana : Raha jerena ireo soa… (x2)


·