ATOLORY NY TOMPO

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

ATOLORY NY TOMPO


Atolory ny Tompo ny vokatrareo
Ho tsofiny rano, (tsofiny rano) ô ! bis
Atolory azy ny hasasaranareo
Ho tsofiny rano, (tsofiny rano) ô ! bis


Miharia harena any an-danitra
F’aza mifikitra amin’ny harenan’ny tany e !
Manaova rakitra soa tsy mba mety ho lo
Fa ny eto an-tany anie ka miserana ihany e !


Ho tsara tso-drano anie ianareo
Ho hankasitrahana anie ny fanatitra hataonareo e !
Ho ambinin’A/tra anie ianareo e !
Ka honerany be anie izay laninareo


Atolory ny Tompo ny hatsembohanareo
Ho tsofiny rano, (tsofiny rano) ô ! bis
Atolory azy ny adin-tsainareo
Ho tsofiny rano, (tsofiny rano) ô ! bis


Miharia harena any an-danitra
F’aza mifikitra amin’ny harenan’ny tany e !
Manaova rakitra soa tsy mba mety ho lo
Fa ny eto an-tany anie ka miserana ihany e !


Ho tsara tso-drano anie ianareo
Ho hankasitrahana anie ny fanatitra hataonareo e !
Ho ambinin’A/tra anie ianareo e !
Ka honerany be anie izay laninareo


A/C:RANOELISON Nirina (Ni)


·