ATAOKO AHOANA
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
ATAOKO AHOANA
- Ray ô, ity firenena ity
Ankiniko Aminao satria
Variana sady sondriana ery
‘reo olona eo aminy
Sitrano ny taniny
Jereo fa efa ho potraka
Ampio tsy ho trotraka
Ny taranany
REF:
Ataoko ahoana no fijery
Na koa hiafina hiery
Ka tsy mba handray anjara
Ho an’i GASIKARA
Inty aho Ray ô
iraho aho izao
Hanao ny asanao
Omeo hery vao
- Ireo tanora miliba
Amin’ny zava-manimba
Mitady fahasambarana
Kanefa manganana
Mandany fananana
Ny toaka sy ny rongony
Tsy lazaina intsony
Simba ny fony
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO