ATAO ANIE NY SITRAPONAO
Tarika Vintsy
ATAO ANIE NY SITRAPONAO
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Raha miaraka aminao
Dia tsy hitoditodika intsony
Tsy hierikerika ,tsy hijerijery
Na misy aza fankampanahy
Raha izay no heverinao ho rehareha
Ho anao irery aho na antrano
Na eny andalambe
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Dia tsy ho alimpody
Fa hody mazava amin’izay
Avelako hatreo ny fisotrosotrona
Fa maika aho ny hamonjy anao
Raha izay no heverinao ho rehareha
Ho avy tsy ho ela aho
Fa tonga dia mba rosoy cafe
Atao anie ny sitraponao
Hatr’ety an-trano
Hatreny an-tokontany
Atao anie ny sitraponao
Ny sakafo hoanina
Fa aza tomany
Manomboka androany aho
Dia mba hitrotrotrotro
Ireo zanan-tsika roa
Izay noheverin’olona
Fa hoe kambonty adala dada moa
Raha ireo no heverintsika ho rehareha
Androany ihany aho dia hampianatra
Ilay farany handeha
AC : Andrianarisoa Hanitriniaina (Vintsy)