Asehoy ahy

Rija Rasolondraibe

Asehoy ahy


Na ny tsy hita, na ny afenina aza fantatrao
Zay efa vita, ireo nenina sy izay mbola hatao.
Ny herinao tsisy fetra, tsy ho voafaritra an-tsaiko ao
F’izay momba ahy rehetra efa voadinikao e eh!


Ref:
Asehoy ahy hahitako
Toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza aho
Sao dia nandao
Tafasaraka aminao.
Omeo fitsapana
Omeo fisedrana
Mba hijoro am-po torotoro
Sao variana, tratra aoriana aho
Tafasaraka aminao.


Ampangino aho, raha mitory izay tsy nolazainao
Sao hoe: ‘zaho indray no hita, fa tsy ianao
Mba tsy ho menatra aho raha ho avy ilay andro iray
Fa mba ianao no hampandroso ahy an-tranon’ny Ray ô ôh!


Ref:
Asehoy ahy hahitako
Toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza aho
Sao dia nandao
Tafasaraka aminao.
Omeo fitsapana
Omeo fisedrana
Mba hijoro am-po torotoro
Sao variana, tratra aoriana aho
Tafasaraka aminao.


Ampianaro aho hahalala
Aza avela Tompo malala ô!
Ampianaro aho mba hanisa
Ny androko sisa.
Ieeeeeh!!!


Ref:
Asehoy ahy hahitako
Toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza aho
Sao dia nandao
Tafasaraka aminao.
Omeo fitsapana
Omeo fisedrana
Mba hijoro am-po torotoro
Sao variana, tratra aoriana aho
Tafasaraka aminao.


Ampianaro aho hahalala
Aza avela Tompo malala ô!
Ampianaro aho mba hanisa
Ny andro sisa.


·