ASANDRATRAY(GTF)

Feon'ny fiderana

ASANDRATRAY(GTF)


Midera anao ‘zahay Jesoa
Ka ny feonay no asandratray ho anao
Ventesinay ny hira fiderana anao
Ankalazainay ny anaranao




  1. Atokanay ho fanandratana anao
        Izao fotoana tokana izao
        Ho fanevan’ny fahamarinanao
        Ho fitondranay ny anaranao
    Indreto izahay miondrika aminao
    Am_pototry ny hazo fijalianao
    Tolory saina hendry lalandava re
    Ka hahay hanompo anao n’aiza n’aiza aleha




  2. Ny fiainanay Jesoa dia eo an-tananao
        Ampianaro hiasa ho anao
        Ka hahay hizara izany fitiavanao
        Mba ho mpianatrao izao tontolo izao
    Ka ny fanahinao no angatahinay
    Hirotsaka aminay tsirairay
    Mba hahavitana ny asa fanompoana anao
    K’ampio izahay ary mba tohanonao




·