ASANDRATRAY IANAO

None

ASANDRATRAY IANAO


1-Ambarako anio ny fiderako Anao
Ankalazaiko fa mendrika Ianao
Andriamanitra marina ,masina, mpandefitra
Tia ny rariny
Indrindra lay fitiavana nomenao ahy
Tsy mitahiry hatezerana,
Ka na dia eo aza ny fahotanay
Fampindram-po, no asetrinao


FIV-Midera Anao zahay Andriamanitra ô
Tompon’ny lanitra sy ny tany
Notanterainao izay rehetra nolazainao
Mahatalanjona ny asanao
Matoky Anao zahay Jehôvah ô
Mihoby Anao, mitsaoka Anao
Asandratray Tsitoha
F’Ianao lay tsy miova omaly sy anio, mandrakizay


2-Andriamanitra lehibe indrindra Ianao
Be voninahitra sy mendrika
Tsara sady mahery Ianao Jehovah Ray
Ho derainay hatrany re
Eo am-pelatananao ny rehetra
Tsy misy mitovy aminao
Ka na andro na alina aza Ray
Hideranao ny vavanay


Midera Anao (X5)
Asandratray Tsitoha
F’Ianao lay tsy miova omaly sy anio, mandrakizay


ASAFA
A/C : Berova
Oktobra 2023


·