Asandratray
Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Asandratray
Asandratray ny feonay ry Ray
Miangavy ny famindram-ponao
Sy mitalaho famonjena
Mba hanarahanay ny dianao
Tsy ampy anay ny herinay anie
Raha tsy ampian’ny fanahinao
Ny fiainanay an-tany ety
Atopatopan’onja marobe
Mahatoky anefa izahay
Fa miahy anay hatrany Ianao
Ambaram-pihavin’ilay hazavana
Izay nambaran’i Jesoa zanakao
Marobe ireo olona mitsipaka ny didinao
Tariho ireo mba hahatsapa sy handala
Ny fahamarinanao
AMALA
A\C : Léon Randrianarivelo