ASA FITORIANA

SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY

ASA FITORIANA


Aoka izay ny fifadirana fa mandratra ny ao am-po
Izaho sy hianao samy tsy mendrika fa nofidian’i Jeso soa
Asa fitoriana no atao hiseoam-pitiavana
Mba ho fifandraisan-tanana no hanjaka ao tokoa


Fa fanjakan’Andriamanitra no ampandrosoina izao
Ka ny maha olombelona mba hanam-padeferana
Fa Jesosy be fitiavana efa voahombo tokoa
Izany dia fampiavanana antsika mpanompony


Isika izao hiara-dalana sy hifampitantana
Ka hamonjy paradisa soa voahomana ho anao sy ho ahy
Ka ireo mpiara-belona taomintsika hiditra ao
Mba ho feno hasambarana anilan’ilay Tompo soa


·