ARY HO FITAHIANA

FJKM MANARINTSOA FINOANA

ARY HO FITAHIANA


1)Asandrato avo anio ny fiderana e!
Ry Manarintsoa Finoana, ho endrim-pankalazana
Ho an’Ilay tsy hay tohaina
Tokana azo antenaina
Sady Loharanon’aina
Niahy ny Fiangonanao
Sy ireo izay nialoha anao
Izy ihany no antom-pisianao


2)Raha Finoana miasa no mba ndeha hiraina e!
Anio izy azonao, rahampitso indray zaraina
Mitombo rehefa ampiasaina
Ampinga izy raha ilaiana
Mba tsy hahavery ny aina
Ny fitahiany koa moa ao,
Mirotsaka hampijoro anao
F’izay no antom-pisianao



  1. Ry Fiangonana o, miha-akaiky ilay Kanana e!
    Ezaho ny dianao, ny hiemotra hialana
    Aleo ny soa no hatsaraina,
    Ny avo ihany no andrandraina
    Mba hahavotra ny aina
    Afoizo izao ny momba anao,
    Finoanao no ampiasao
    F’izany no antom-pisianao


Fiv) Koa dia ho tahiana ianao, ary ho fitahiana e !
Ireo lahatra ho anao, hiaino am-pifaliana
Katsaho Ilay Lapasoa, amin’ny finoana e!
Ianao hiarin-tsoa ny hafa koa tsy hirona


Fiv*) Koa dia ho tahiana ianao, ary ho fitahiana e !
Ireo lahatra ho anao, hiaino am-pifaliana
Katsaho Ilay Lapasoa, amin’ny finoana e!
Ianao hiarin-tsoa ny hafa koa tsy hirona
Ianao hiarin-tsoa ny hafa koa tsy hirona
Hiorina tokoa Manarintsoa Finoana


·