Arovy amin'ny Fitiavanao

Antsan'i Fenomanana

Arovy amin’ny Fitiavanao


1-Inty aho Tompo ô, mino sy matoky anao
Inty aho Tompo ô, vonon-kanaraka anao
Tariho mba tsy hivily amin’ny lalanao aho
Mba manjakà ato am-poko ianao


Omeko anao ny fiainako anjakao
Atokako ho anao, na dia tsy mendrika aza
Raiso ho anao
Ka ny sitrakao no aoka hatao
Fa tsy ny ahy Tompo ô!
Arovy amin’ny fitiavanao


2-Handray anao Tompo mpanavotra ahy
Handray anao hiantoraka eny aminao
Ny lasako no hanefy ny ho aviko
Raha eo ianao tsy hanan-tahotra aho


Coda: Inty aho, arovy amin’ny fitiavanao


Antsan’i Fenomanana
Album 5 " Hihira ho anao "


·