AROVAKO I MADAGASIKARAKO

Vanintsoa

AROVAKO I MADAGASIKARAKO


AROVAKO I MADAGASIKARAKO


Gasikarako, nosindrazako
Ilay fonenako, hilevenako
Gasikarako, tany mamiko
Tsy atakaloko, hifaharako


Ny fahendrena nentinao ho tanako
Ireo fomba amam-panao ho andrianiko
Fa tiako hajaina tsotr’izao
Izay rehetra momba anao r’ilay Madagasikarako


Ref: Ho arovako tsy ho very ireo zava-tsoa
Ho koloiko ombieny ombieny izay hahasoa
Ny ala ho arovako, ny biby tsy ho fongoriko
Handray ny anjara tandrify aho mba ho anao


Gasikarako sy ireo harenany
Reherehako, tsy potehiko
Gasikarako sy ny tontolony
Ho arovako fa hany lovako


O rahavako, malagasy namako
O ry zokiko e, o ry zandry a!
Andao hiaraka hifampitantana
Hiaraka hikolokolo ity nosindrazana


A/C : Vanintsoa


·