Arotsay ao am-ponay ry Tompo ô

Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)

Arotsay ao am-ponay ry Tompo ô


Tompo ô, Ianao ilay fahazavana
Tompo ô, Ianao ilay famonjena
Tompo ô, fitiavana Ianao
Tompo ô, fifaliana Ianao


Ny herinao rehetra, ny fahasoavanao
Ny fitahianao narotsakao manontolo
Ny zava-tsoa marobe, nysoa sesehena
Ny fiadananao nomenao ho anay


Izao tontolo izao dia mila anao Tompo ô
Ka ny tanam-pitiavanao no aoka hanafaka


Arotsay ao am-ponay ilay Fanahy Masinao
Arotsay ao aminay
Hiasa mangina ao anatinay, hanadio ny fonay
Hanafaka amin’ny herin’ny aizina


Tompo ô, Ianao ilay hasambarana
Tompo ô, Ianao ilay fiadanana
Tompo ô, fahamarinana Ianao
Tompo ô, fiainana Ianao


Izay rehetra ataonay, ny làlana hizoranay
Ny fitadiavanay dia feno ny tso-dranonao
Ny fiderana Anao, ny fitoriana ny teninao
Izay hasandratray, ho voninahitrao


A.M.A.LA
Aut / comp : Abel Randriamalala


·