Araraoty
Ny Sakelidalana
Araraoty
Araraoty ny andro
Azo anaovan-tsoa ,fa ratsy
Izao fiainan-tsika izao
Dia mora lo sy mety maty
Fa mahasambatra tokoa
Ny manome noho ny mandray
Ary ataovy amin,ny fo
Aza atao alasafay ,
Ho fandatsana indray
Fa ny maty manao soa
Tsarovana tokoa
Ary ho mandrakizay
Ndeha ( efao ny adidy…)
omeo ireo mahantra
Ndeha ( ataovy an-tsafidy )
vangio ny marary
Ary ataovy amin ’ ny fo
Aza atao alasafay
Ho fanesoana indray
Ny manome amim- pifaliana
No sambatra indrindra
Sitrak ’ Andriamanitra