ARAHABAINA
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
ARAHABAINA
Arahabaina isika izao
Tafahoana izaho sy ianao
Koa arahabaina e! Arahabaina oa
Fa velon’aina feno hafaliana
Manandratra ny hira fihobiana
Fa nahatratra izao Noely izao
Ho famonjena izao tontolo izao
Indro teraka Jesosy zaza
Faly isika izao mankalaza
Nandao ny lapa soa Jesoa
Nitondra ho anao zava-tsoa
Arahabaina e! Arahabaina oa
Arahaba re! Arahaba oa
Fa velon’aina feno hafaliana
Manandratra ny hira fihobiana
Fa nahatratra izao Noely izao
Ho famonjena izao tontolo izao