arahaba ry Maria

Chorale Taratr'i Maria

arahaba ry Maria


Indro ilay zaza naterak’i Maria
(zazalahy e)nomen’ny Rainy ho sorona ho mesia
hanadio ny otantsika sy hanafaka antsika
voagejan’ny fahotana


Indro zao ny lanitra mivoha (aleloia)
ireo anjely mihoby avokoa hankalaza ny Mesia
Ilay Andriamanitra tonga ety hamonjy ny olona


Nirahin’ny Tompo ny anjeliny ho any am’ilay virjiny
hitondra ny hafatra soa hiankinan’ilay famonjena


Arahaba arahaba ianao Maria arahaba ry feno hasoavana
arahaba arahaba ianao Maria ny Tompo ao aminao
I Jesoa no atao anarany ilay zanaky ny Avo indrindra
mandrakizay koa ny fanjakany manerana ny tany rehetra


Fa tonga ny Tompo arahaba o Emanoela
fa tonga eto anivontsika ny Tompo
zanahary antsika arahaba emanoela


·