APOKALIPSY (hiran'ny D.O.M Rock ofisialy)

D.O.M ROCK

APOKALIPSY (hiran’ny D.O.M Rock ofisialy)


Mipoitra avy lavitra, izay tsy fantatra
Kiaka tokana manako, tsy mijanona
Indreny fa mandalo milahatra ny fotsy, ny mena, ny mainty sy ny hatsatratra. (Apokalipsy 6:2-4-5-8)


Manenika ny havoana sy ny lohasaha
Ny aloka toy ny avelo mampatahotra
F’ireo manam-pinoana ihany no afaka
Amin’ny fahatezeran’ny habakabaka. (Hebreo 10:38)


Refrain :
Rivo-mahery sy oram-baratra
No menomeno ny fiainana
Avy lavitra hanafay ireo tsy marina
Sy ireo mpanefy vy sandoka


Tonalité originale : Mi minor


A/C: Dominique RABARAONA (Bass,Vocal)
Allias AACKHÎM (Guitare,vocal)
Dylan RABARAONA (Guitare, vocal)
Ritchie RABARAONA (Son)
Othniel FITIAVANA (Drums, vocal)


·