Apokalipsy

Apost

Apokalipsy


Mipoitra avy lavitra any
Ilay tsy fantatra
Mihika tokana manako
Tsy mijanona
Indreny fa mandalo, milahatra
Ny fotsy, ny mena, ny mainty
Sy ny hatsatra


Mananika ny havoana
Mitety ny lohasaha
Ny aloky ny avelo, mampatahotra
F’ireo manam-pinoana ihany
No afaka
Afaka amin’ny hatezeran’ny habakabaka


Rivo-mahery sy oram-baratra
No mameno ny fiainana
Avy lavitra any hanafay ireo tsy marina
Sy ireo mpanefy vy sandoka


A/C: Dominique Rabaraona
(Groupe D.O.M.)


·