Apetrakay an-tànanao

Tanora Masina Itaosy

Apetrakay an-tànanao


Mifona aho ry Ray, mifona tokoa
Mandohalika eo Anatrehanao
Hohadinoiko ireo tsy sitrakao ireo (Hohadinoiko ireo tsy sitrakao ireo)
Ny anilanao izao no andrandraiko (Ny anilanao izao no andrandraiko)


Inty ny tànako sy ny vavako
Natokako mba hanompoana Anao
Ilay Fanahinao hiasa anatiko ao
Mba hampiseho ny Voninahitrao


Isaorako Anao Jehovah Ray Tsitoha (Jehovah Ray Tsitoha)
Noho ny halehiben’ ny famindram-ponao


Fiverenana :
Ny fiainanay dia apetrakay an-tànanao
Ny andronay sisa atokanay ho Anao
Manaiky Anao (aho) fa Masina ny Anaranao
Ho Anao ny dera, haja sy ny voninahitra mandrakizay
Amen


Mbola hafa Ianao Andriamanitra Oh!
Tsy misy ny mihoatra noho Ianao
Tsy hanan-tahotra aho fa manana Anao
Mazava izao ny làlana hombako


Navotanao tanaty aizina aho ry Tsitoha (Navotanao ry Tsitoha)
Ankehitriny Tonga zanakao


Fiverenana : Ny fiainanay dia apetrakay an-tànanao … (×2)


·