Aoreno

None

Aoreno


Aoreno ato am-poko Jesoa,
ny fitiavana ny lalanao.
Handreseko ny ratsy sy fakam-panahy,
mihelohelo manodidina ahy.


Fa ny fiainako hatrizay,
nanalavitra anao
Efa zatra ka mila tsy ho afaka,
na dia fantatro fa tsy sitrakao.


Ampitoero ato am-poko Jesoa,
ilay fanahy masina mpanavao.
Mba hanova ny fihevitro be siasia,
nanamavo ny fiainam-panahy.


Fa ny fiainako hatrizay,
nanalavitra anao
Efa zatra ka mila tsy ho afaka,
na dia fantatro fa tsy sitrakao.


Jesoa รด! Aoreno ato am-poko re,
ny fanahy sy ny fitiavanao.


·