Aok'izay

Bodo

Aok’izay


Aoka izay ngidinao
O! ry vintako tsy tsara
Fa ifonako tokoa
Maty aho fa mitsahara
Midaraboka mianjera efa tsy maharin-tena
Asanao raha dia ho sahy
Irony tsindry hazo lena


  He ’ty hoditry ny foko

Miepakepaka tsy nahy
Fa voarangotrao daholo
Na ny saiko na fanahy
Dian’antsy dia-nify
No natentinao ny foko
Dray ry vintako malala
Manafotra ahy ny mitoloko

Asanao ry vintako
Maty aho aminao e
Asanao tokoa tokoa
Asanao dia asanao
Raha hijery ity toloko
Apotrapotrako tsy miato
Na ho faly ny hatoriako
Eo am-parafara vato.


Lahatsoratra: Rabehajaina Justin


·