Aoka izay

Les Frères Arthur

Aoka izay


                      AOKA IZAY

Raha izay fitia tsy nohajaina dia aoka hifarana eo
Fa mampijaly, mampitomany, mandratra fo
Tsy lany zara ka omeko anao ny fitiavako
Vonoy, adinoy izay lasa izay


Hatrizay aho dia nangina tsy mba niteny anao
Ho fitsapana no nanekeko iarahantsika
K’anio no fetra mba ilazako izay ato am-poko
Vonoy, tsy hisy intsony izay lasa izay


Mba mivavaha hahita izay hotiavinao
Fa ny antsika, foana rava hatreo
Hafa indray toloranao fitia
F’izaho aty dia efa manana mpitia


Ataoko ahoana indray ny fomba itiavako
Hadisoana ve ny handao anao?
Aiza ve ka sahinao zaraina
Hoan’olon-kafa ny fitiavako


Ny tiana anie ka natao hijaliana koa
Raha tsy ho hajaina nefa kasaina ho namana
Koa mahereza , aza kivy, f’efa natao
Fa izaho dia hanadino hatramin’izao


Mba ho eo anilanao anie ilay tianao
Manahy mafy ndrao hilaozanao
Ambarao fa hoe ny antsika roa
Dia efa foana hatry ny elabe


Raha sendra mifanojo an-dalana eny isika
Olon-kafa no eny anilako eny
Aoka ianao mba tsy ho vaky fo
Fa izy hoy aho ’ilay tiako noho ianao
Adinoy izay lasantsika izay


·