AOKA HIVENTY HIRA FIDERANA

Vetson'ikopa antoko mpihira

AOKA HIVENTY HIRA FIDERANA


aoka hiventy hira fiderana
an’ilay soron’ny Paka
ry Kristianina
ilay zanak’ondry no nanavotra ny ondry
i Kristy tsy manan-tsiny
no nampihavana ny mpanota tamin’ny Ray


nifandrafy sy nifamely mafy
ny fahafatesana, sy ny fiainana.
maty ilay Tompon’ny aina
ka indro velona sy manjaka izao


hono ry Maria,
lazao anay izay hitanao teny an-dalana


ny fasan’i Kristy velona no hitako
sy ny voninahiny tafatsangana tamin’ny maty
sy ireo Anjely vavolombelony
ary koa ny saron-dohany
sy ny lamba nifonosany
tafatsangana tokoa ilay Kristy fanantenako
nialoha anareo any Galilea izy.


fantatsika fa nitsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy
mamindra fo aminay ry Mpanjaka
amen, aleloia.


·