AOKA HATOKY HATRAMIN'NY FAHAFATESANA
SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
AOKA HATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA
1- Tanora ô! tsinjovinao fa andro farany ‘zao andro izao
Ka aza dia sondriana @izao fiainana mandalo izao
Na mafy sy mavesatra ‘reo fitsapana izay hiaretana
Tsarovy fa ho velona hianao (satria) ny Tompo homba anao
2- Tanora ô! Miambena izao f’ilay satana fahavalonao
Dia mierona toy ny liona ka mampitondra fahoriana
Koa raiso ny ampinganao dia ilay finoana izay anananao
Manoatra noho ny mpandresy hianao (satria) ny Tompo homba anao
3- Tanora ô! torionao manerana izao tontolo izao
Ireo teny soa nomeny anao ampafantaro ireo namanao
Na maro ireo manenjika maneso sy mandrabiraby anao
Sahia mijoro tsy amin-tahotra (satria) ny Tompo homba anao
KOA AOKA HATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA DIA HO AZONAO ILAY SATRO_BONINAHITRA FIAINANA