AO IZY HANOME

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

AO IZY HANOME



  1. Raha sendra misy ny adin-tsaina
    Mampisento sy mampitaraina
    Matetika mitanondrika ianao
    Toa tsy hita izay azo atao
    Indraindray aza moa dia tomany
    Masiaka ny ankason’ny tany
    Mahonena tokoa, mila ho vaky ny loha
    Kanefa aza mamoy fo


REF:
Ao izy hanome, ’lay fitahianm-be
Anjara fitia fifaliana
hamafa ihany koa ny alahelom-po
Ho tapaka hatreo ny hakiviana
Tsy misy tambiny io, kanefa tadidio
Fa mila finoana madio
Meteza ary moa handray an’i Jesoa
Amin’ny fanahy sy fo
Meteza ary moa handray an’i Jesoa
Amin’ny fanahy sy fo



  1. Raha sendra ka diso famindra
    Solafaka fa tsy voarindra
    Dia ireo akaikinao ireo ihany
    No velon’akora amin’izany
    Dia ho kivy sady keraka foana
    Tsy hita izay eo anoloana
    Fa feno aizim-be, ny làlana aleha
    Kanefa henoy kely ange


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·