Ao izy e

Mahaleo

Ao izy e


Ianao ‘lay nailika, ankilabao
Nasiana tsipika tsy azo hihoaranao
Toy irony kamboty, tsy misy mpiahy
Mba te hiangoty nefa tsy reny tsy ray


Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson’ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’ Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan’ireo izay nania


Ianao ‘lay nibaboka fa nanao ny ratsy
Vao mainka nadaboka sy narahina fantsy
Toy ny resy mifona fa lavo an-tany
Odiana tsy henoina fa darofana ihany


Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson’ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’ Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan’ireo izay nania


Ianao diso famindra, solafaka
Ireo namanao indrindra no nanavakavaka
Fa nadio ianao fahiny, nolazaina hoe tsy ratsy
Nefa dia nomena tsiny fa nisy loto nanasy


Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson’ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’ Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan’ireo izay nania


·