Ao anatin'ny vala

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Ao anatin’ny vala



  1. Inona no fiarovan-tena ho anao.
    Raha any ivelan’ny manda.
    Raha fiadanam-po sy fanahy no tadiavinao.
    Tomoera ao anatin’ny vala.
    Tsy misy maha rombaka ny ondry.
    Izay ao anatin’ny vala.
    Fa mpiandry tsara sady mahatoky.
    No mambomba anao.
    Handry am-piadanana.


Ref:
Na mahery loatra, tsy hay toherina.
Mila hampitroatra, ny adim-piainana.
Izao no fanafody, ndeha hiverina.
Ao anatin’ny vala.


2.Ndraindray toa lasalasa ny fisainana.
Amin’ity fiainana eto ity.
Tsaroana ho miha marefo hatrany ny fo sy fanahy.
Miatrika ady isan’andro isan’andro.
Izay no mampiavaka ny manana ny Ray.
Miaro ao anatin’ny vala.
Fa mpiandry tsara sady mahatoky.
No mambomba anao.
Handry am-piadanana.


·