Ao amin’i Jesoa
FiFa Groupe
Ao amin’i Jesoa
Aiza no misy ny fifaliana e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Aiza no misy ny fiadanana e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Ka miambena ary soa tara
Hevero izay hiafaranao
Mandrosoa amin’ny fifaliana
Tandremo ianao sao variana e
Aiza no misy ny fitahiana e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Aiza no misy ny famonjena e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Ka mihevera ary soa tara
Efa miandry ny Tompo hikarakra e
Izy efa nampanatena anao
Fa ny lanitra no lovanao
Aiza no misy ny fahasambarana e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Aiza no misy ny fanafahana e, raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa, Ao amin’i Jesoa
Ao amin’i Jesoa ihany raha mbola eto an-tany
Ao amin’i Jesoa ihany, hatrany an-danitra any