Any Ilay Malala

TARIKA TSINJO

Any Ilay Malala


   Any ambadimbadika any

No misy azy izay
Tsy tazan’ny masoko ety
Any lavidavitra any, ilay malalako izay
Asa raha mbola tena tia

Matetika izahay, no mifanoratra
Mifananatra, mifanorotoro koa
Any andro iray, hiverenany eto indray
Hiova ho tena mamy ny taloha(*2)

Any ambadimbadika any, no misy azy izay
Tsy tazan’ny masoko ety
Any lavidavitra any
’LAY MALALAKO izay
Asa raha mbola tena tia

Ray o! ampio izy, tsy hanadino ny aty
Aoka ho tsapany fa, izaho dia tena tia
Oh!, any andro iray, hiverenany eto indray
Hiova ho tena mamy ny taloha(*2)

·