Any an'ala any

Sanda Mozika

Any an’ala any


Any an’ala any


Andeha isika zareo ho any an’ala re
Mba handinika ireo voary mbola tsy hita sy re
Ireo mpianala no hitarika any
Ho variana tokoa hahita izany


Ref: Mangina kanefa miteny
Tony Sady manako
Milamina toa mihira
Izany no bitsika an’ala
Manaitra ny fo sy ny Saina
Andeha jereo de ho fantatrareo
Ny hakanton’ny voary fa tsy sarisary


Ekena Ary izay voambara
Roso re zany Dia
Arahain’ny feon-driandrano
Ka malakilakia
Ny rivo-mitsoka manitra aok’izany
Toa miantso vahiny
Handroso hatrany


Ref


Maharavoravo izay topazana
Rakofan’ny loko
Maintso mavana
Na izany aza anefa
Voatery ialana
Satria mamy lehiretsy eh ny mody an-tanana


Ref
A/C: Tiana Andrianaina
Arr:Sanda Mozika


·