Any ambany rangolahy

kafa

Any ambany rangolahy


Ferapara fotsifotsy
No nampandrenesana anay e
Fampilazana ny fahalasananao
Any ambany rangolahy any e
Vatam-paty hazo iray e
Nampanamboarina anay e
Izay no fiara hitondra anao any e
Any ambany rangolahy any e


Omaly hariva sahabo ho tamin’ny sivy
Nandondona tao am-bavahadinareo tao aho e
Nahatazana anao aho
Nanoroka anao aho, ôh!
Mbola nanafosafo anao aho
Omaly hariva sahabo ho tamin’ny sivy
Nandondona tao am-bavahadinareo tao aho e
Nahatazana anao aho
Nanoroka anao aho, ôh!
Mbola nanafosafo anao aho


Fiara an’alinkisa maro
Mirongorongo voninkazo e
Ndeha hankalaza ny fetinareo
Any ambany rangolahy any e
Voninkazo maro loko
Raozy, pika, dalhia e
Izay no sahaza ny fetinareo
Any ambany rangolahy any e


Alaiko sary an’eritreritra sisa e
Ireo hariva menafifintsika taloha
Mitadidy anao aho
Mankalaza anao aho, ôh
Mandria am-piadanana
Alaiko sary an’eritreritra sisa e
Ireo asiambaratelontsika roa tany aloha
Mitadidy anao aho
Mankalaza anao aho, ôh
Mandria am-piadanana


Ferapara fotsifotsy
No nampandrenesana anay e
Fampilazana ny fahalasananao
Any ambany rangolahy any e
Vatam-paty hazo iray e
Nampanamboarina anay e
Izay no fiara hitondra anao any e
Any ambany rangolahy any e


·