Any Ambanivohitray

Shamara

Any Ambanivohitray


Any ambanivohitranay ange ny akama
Na hoe dezaka mbola mahatamàna
Milamina tsy mba mikorontana izany
Fihavanana tena izy no any


Jerena fa mbola tany efitra
Kanefa tsy alofan’ny dahalo
Maro aza ange ireo diso hevitra
Ry zareo tsy manam-pahavalo


Miaro ny tanàna?
Dina no lalàna
Tsy hoe ny fanjakàna
No hamehy azy any, hafa-tsy izy ihany


Raha ny tontolo
No maha - ambanivolo
Fa tsy mikolokolo
Hafa ny antsika izay mbola rà mandriaka


Miaro ny tanàna?
Dina no lalàna
Tsy hoe ny fanjakàna
No hamehy azy any, hafa-tsy izy ihany


Raha ny tontolo
No maha - ambanivolo
Fa tsy mikolokolo
Hafa ny antsika izay mbola rà mandriaka


·