Antson'ny Tompo

Fanilon'ny famonjena

Antson’ny Tompo


1-Henoy ny Tompo miantso anao hoe
Avia manantona ahy ianareo izay
Manana olana sy miasa fatratra
Mankanesa Amiko
Fa izaho hanome fitsaharana ho anareo


Réf: Miantso anao ny Tompo avia manantona
Miorena minoa azy fa izy hanafaka anao
Amin’ izay olanao sy mamatotra anao
Henoy Jesô


2-Ianao izay sondriana sy variana
Amin’ izay rendrarendran’ny tontolo
Tsarovy Fa ny Tompo miantso
Sy mitady anao hanaraka azy
Ho aminy tsara indrindra ho anao


T/F: R.L.J


·