Antsoantso
AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Antsoantso
1.
Misy miantsoantso, antso mafy.
Avy ao anaty andavan’andro.
Dia misy koa ireo zara raha mitafy.
Vao mainka idifian’ny masoandro.
Refrain:
Ho azy ireny indrindra Ray malala, ô,
No anandratanay ‘zao antso izao.
Ny eo aminao ilay tsisy tombo sy hala.
No italahoanay ny hantranao e.
Aza avelanao ho diso anjara amin’ny famindra-ponao Ray ô!
2.
‘Njao miantsoantso tsy mitony.
Fa efa trotraky ny andim-piainana.
Tsy afa-misarangotra intsony.
Miandrandra valim-pitarainana.
JORDAN