Antso fanomezana

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Antso fanomezana


1- Fanomezan-tsarobidy
Ho anay tokoa
Ny niantsoanao anay ry Jesoa
Fanomezan-dehibe sy tena ngeza
Tolotra masina sady mateza


Ref :
Ka misaotra re (beso)
Saotra no atolotray
Mankalaza sy miderao anao
Nohon’ny fahambonianao
Ka misaotra niantso anay
Jesoa misaotra e


2- Tsy mba hoe noho ny fahamendrehanay
Fa noho ianao nifidy anay
Satria tia anay tokoa ianao
Ka nanokana anay mba ho anao


3- Fanomezana tsy takatry ny saina
Satria ny herinay anie dia kely
Fanomezan-tsarobidy sy rakitsoa
Ka hany finiavanay Kristy Jesoa ô
Dia misaotra re…


·