ANTSO

HAGA

ANTSO


Mpanarato very fivoy aho,
Navalan’ny rian-drano,
Efa reraka sy malemy aho lahy e !
Ka tsy afa-mikaika koa.


Torahy tady aho lahy e !
Sosao lakana aho
O, lahy e !
Vonjeo fa very aho,
Vonjeo fa very aho.


Ny fitadiavana mahazaka maniraka,
Mitondra ary mety manahy,
Efa lavitra ny any aminay aho lahy e !
Roa roa andro izay no
Nandaozako azy izay.


Torahy tady aho lahy e !
Sosao lakana aho
O, lahy e !
Vonjeo fa very aho,
Vonjeo fa very aho.


Ny hanohanana mandreraka ny aina,
Ny torimaso manenika koa
Tsy mahita izay morona aho lahy e !
Ambina tsy mahita ny maso.


Torahy tady aho lahy e !
Sosao lakana aho
O, lahy e !
Vonjeo fa very aho,
Vonjeo fa very aho.


·