Antso
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Antso
Tsisy fiadanana sy fahasambarana
Ho an’ny ratsy fanahy amin’ny andrompiainany
Izay rehetra alehany na izay mba saininy
Feno haratsihana, tsisy fiadanam-po
(Duo)
Ry namako รด, ambarako anao ny antson’ny Tompo anio
F’Izy irery ihany no afaka hampiadana ny fonao
Dia ho lavitra tokoa ireo sorisorinao
Ho paradisa vaovao ny fiainanao
(Bass)
Raha mbola mankasitraka ota foana ianao ety
Na mijoro fahavalon’ireo sakaiza tia
Tsy ho azonao ilay fahasambarana izay nomeny
Anio miantso anao Jeso
Tsisy fiadanana….
Indro ho avy ny andro hoy Jehovah Tompo
Izay hatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja
Ho lavinao ve ilay antson’i Jeso miangavy isan’andro
Tsy sitrany ny havery anao
Ka hitaraina hikikika hiatsoantso hoe : vonjeo