Antsika irery

Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)

Antsika irery


Andao indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao, natao ho antsika.


Ny hanadino tsy ho haiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery.


Tsy nampaninona antsika akory
Ny fanala sy hatsiaka
Nanantena fa hanangoly
Ny tsirim-pitiavantsika.


Andao indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao,natao ho antsika.


Ny hanadino tsy ho haiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery.


Sangisangy sy ireo kalokalo
Tantara niaraha-niomehy
Nampitodika ireo mpandalo
Moa tadidinao ve ?


Teo nanaovantsika dina
Ny voady sy toky mamy
Ka na sento na hafaliana
Niarahantsika hatrany.


Raha iny tsy tafaray
Ny amiko sy ianao
Meteza kely indray ny lasa
Hifoha aminao.


·