Antom-pisiana

100% Gospel

Antom-pisiana


Ravo ny fo fa notahianao tokoa
Ny Fahasoavanao no mbola naha toy izao
Noporofoinao fa Ianao no momba sy miahy
Mampahery Fanahy,
Anaty hafaliana Ianao mameno hafanàna
Anatin’ny haizina Ianao mitondra hazavàna
Fotoana rehetra na mangidy na mamy,
Ianao teo foana hatrany


Lazainay fa Ianao no antom-pisianay
Ijoroanay ary mbola itokianay
Fahombiazanay Voninahitrao
Tianay Ianao, ANTOM-PISIANAY
Najoronao izahay
Tantananao


Tsaroana ireny niandohana
Nandalo ireo sedra sy fitsapana
Nokasihinao ny fo hatoky tokoa
Misaotra Anao izahay Ray ô!
Efa Ianao no anton’ny fiainanay
Handeha am-pinoana fa manana Anao
Fa tsisy ny tsy Hainao atao
Ambara izao fa tianay Ianao


Lazainay fa Ianao no antom-pisianay
Ijoroanay ary mbola itokianay
Fahombiazanay Voninahitrao
Tianay Ianao, ANTOM-PISIANAY
Najoronao izahay
Tantananao


Misaotra Anao…


·