ANTHONINE (Antôninina)
KIRI' DHY
ANTHONINE (Antôninina)
Antôninina e, Antôninina e, fangehan’ny kilonga azy sy agn’ ambala
Tsa ataony ino e, tsa ataony ino e, fa dia manoiña ihany izy na dia hala
Maitsomaitso i Antôninina e,
mince mince i Antôninina e
Vaniam-paraka i Antôninina e,
majorojoro i Antôninina e
Raha mialokaloka izy e, tian’olo ho nama itreha
Raha mba mandalo any izy e, tian’olo ho laidairy
O Antôninina koa izay ô.
Antôninina e, Antôninina e, fangehan-dRenibeny azy sy agn’ atanà
Tsa ataony ino e, tsa ataony ino e, fa dia vao maika androa izy mihatamà.
Malama volo i Antôninina e,
Malandilandy i Antôninina e,
Mena molotsa i Antôninina e,
Avoavo i Antôninina e,
Raha mialokaloka izy e, tian’olo ho nama itreha
Raha mba mandalo any izy e, tian’olo ho laidairy
O Antôninina koa izay ô.
A/C: Papa Léon
© Francis Odet - RFO Project