Antananarivo

Barijaona

Antananarivo


Mba fantatrao ve ity vohitra ity
Somary ntaolo fa maro mpitia
Hifanontofan’ny olona mandalo
Tia hirahira sy tia kalokalo


Antananarivo hikaloy, havoana mora fantatra
Antananarivo tsy mba foy, fanao ankamantatra
Analamanga fehizay, dia tena maminay
Tsy lefy io tsy miova hatrizay


Endrey tazano ny hatsaran’ilay Iarivo tsy mba roa
Tarafim-bolana any ho any, mahamanina tokoa
Vahiny ve tsy ho tamana
Rotsirotsin’ilay tanana
Amin-kira ivaiva manakoako takariva


·