Ankohonana kristiana

Tanora Masina Itaosy

Ankohonana kristiana


Tsy itandroana hasasarana ny ankohonana
Ireo tanaraka natolotrao fanomezana
Fa ny tena fahasambarana dia ny manaiky Anao
Hitari-dalana anay ho ao an-dapanao


Tsy takatry ny saina ny fitiavanao
Mihavao isa-maraina ny famindram-ponao
Tompo o, ankininay eo am-pelatananao
Ny tokantranonay raiso ka anjakao


Ray amandreny sy zanaka samy manoa Anao
Izay no filamatra, ka hiaraka ho any an-danitra
Kotroka sy oram-baratra tsy maintsy misy fa
Ianao mananatra anay mba haharitra


Tsy takatry ny saina ny fitiavanao
Mihavao isa-maraina ny famindram-ponao
Tompo o, ankininay eo am-pelatananao
Ny tokantranonay raiso ka anjakao (Bis)


·