Ankiniko

Antoko Mpihira MORIA

Ankiniko


1-Mamy re ry Tompo
Izany miaraka Aminao
Vonona aho hanompo
Hanova ho fo vaovao
Miezaka hanatratra
Izay diam-peninao
Ny fanao mahazatra
Miova ho vaovao


Ref: Ray รด! Ankiniko Aminao
‘Zato fiainam-baovao
Ho hanitra ankasitrahanao


2-Raha re ny antsonao
Manambara teny soa
Ny andro rehetra izao
Hanompoako Anao tokoa
Enga anie zao fotoana
Fanavaozana izao
Tsy ekena ho foana
Ny finoana Anao


·