Ankamantatra

Ely El'rah

Ankamantatra


Ekena fa hoe sarotra ny mila
Fa izay misy aloha no omena
Iriko isika iaraka f’aza mamilafila
Ilay fitiavako mba ekena a
Tsotsotra ihany aho rehefa mba hikôty andry
Fa hatreto mbola ankamantatra ilay fitia
Mba miangavy ihany aho ny hiaraka aminao na kely fotsiny
Izao no tena marina tiako izy fa tsy aiko aloha raha kobony….


    Tia anao ihany aho ka miangavy omeo na dia kely
Mba jereo ihany ilay foko efa ela no te hiteny
Tiako ianao nefa indrisy (ankamantatra,,ankamantatra a,,ankamantatra a)
Izao aloha te-hitsiky (fa miandry anao hahafantatra a,,miandry anao hahafantatra)

Ankamantatra a e e e…ilay fitiavantsika iny aky
Ankamantatra a e e e…tiako ianao iny zaho tena tia
(Ankamantatra)×10


Onjan-dranomasina mameno izao tontolo izao
Fitia manankasina izy ity raha tsy fantatrao
Nefa mbola tsy hainy ny fisiny hatramin’izao
Hoe efa hatramin’izay izaho no tena tia anao


Izay mangina ekeko hoe volamena
Tsisy atakaloko anao izay vola omena ahy
Fa ianao ihany ianao hatrany no tiko tiko horehan’ny hatrany an-danitra any


Tia anao ihany aho ka miangavy omeo na dia kely
Mba jereo ihany ilay foko efa ela no te hiteny
Tiako ianao nefa indrisy (ankamantatra,,ankamantatra a,,ankamantatra a)
Izao aloha te-hitsiky (fa miandry anao hahafantatra a,,miandry anao hahafantatra)


Ankamantatra a e e e…ilay fitiavantsika iny aky
Ankamantatra a e e e…tiako ianao iny zaho tena tia
(Ankamantatra)×10


A/C: TOLOJANAHARY Andre Elysee
#Nandika : RANDRIAMANATENA Nirina Fenitriniaina


·