ANKALAZAO

GALAF

ANKALAZAO


1-Ankalazao ny Tompo derao ny Ray
F’Izy no nitantana antsika hatramin’izay
Na dia teo aza ny heloka sy ny fahotana
Dia namindra fo ny Ray tsy nanisa hadalana


2-Isika rehetra izao no tahin’ny Ray
Ka nahatsapa ny hatsarany hatramin’izay
Dia aoka hanandram-peo ,hanainga hira vao
Hiventy hosana ho an’ilay Mpanavotra


-Ny voninahitra anie, dera laza koa
Ho Anao ry zoky be famindram- po
Efa Anao izany, ary ho Anao hatrany
Ka aza lavinao fa vokatrin’ny fo


·