ANKALAZAINA (Hira faneva faha-15 taona Anjomaran'ny Fitiavana)
Anjomaran'ny Fitiavana
ANKALAZAINA (Hira faneva faha-15 taona Anjomaran’ny Fitiavana)
Misaotra Anao izahay, ry Ray,
Noho ozao andro anio izao
Dera no asandratray sy atolotray Anao
Indro fahasoavan-dehibe, nomenao anay anie
Fitahiana sesehena, ilay androm-pamonjena
Fiv:
Ry Tompo, androm-pamonjena, ankalaizana Anao
Fanoloran-tena no havaozinay izao
Hitory ny Anaranao Tsitoha amin’ny rahalahiko
Andriamanitra no hankalazainay mandrakariva
Oh ! Andeha Mandrosoa
(Ambarao) ilay teny mahasoa
Mitoria ka sahia aminao ny hery
Tano mafy ny finoanao ry miaramilan’i Kristy
Hanambara fifaliana
Foana hatreo ny hakiviana
Fiv …
Tonony sy feony: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora Hajavolamena