Anjarako

Lova Rakoto

Anjarako


Asa fa tsy haiko,
Tsy fanahy iniako,
Avy dia lazaiko fa ianao no tiako,
Ianao no tiako.


Vao nanitsy monja ny masonao ny masoko,
Tonga dia nanonja ny fanasohasoko,
Ny adin’ny fanahiko sy saiko dia hitsahatra,
Ary ny ahiahiko resinao lahatra.


Ny dinika nandramako moa dia nankalaza,
Fa ianao ry namako no ilay sahaza,
Hanampiako izany, feno ny aminao ny banga nanontany
Tao ampoko tao 2x


Izay hery izay, no tena namantarako,
Fa ianao no ilay olona anjarako,
Ny teniko na vitsy, tsy resaka ankizy,
Tsapako mihitsy fa ianao…no izy…


Nosoratan’i Haingo ary nohirain’i Lova Rakoto


·